Toy ny mahazatra isakin’ny Alatsinainy maraina amin’ny 08 ora katroka, dia misy ny fananganantsaina izay tarihan’Andriamatoa Minisitry ny Fahalamambahoaka, eo amin’ny tokotanin’ny Ministera Ambohidahy.
Tao anatin’izay dia nisy ny jery todika ny asa vita ny herinandro toy ny fizarana ny vatsy tsinjo, ny fandraisana anjara tamin’ny fanarahamaso ara-pahasalamàna ireo mpandeha antanety sy anabakabaka, fanisana ny olona mitondra ny hery fiarovana miady amin’ny tsimok’aretina teto Antananarivo Renivohitra.
Mikasika ny asa miandry ny Ministera ho an’ny herinandro dia:
– Hisy ny fihaonan’ny Ministeran’ny Fahasalamambahoaka amin’ireo sehatra tsy miankina hiresahana sy Fivoriana amin’ny fanavaozana ny « constitution » ny « caisse nationale de solidarité santé »
– Fanomezana Kits de protection ho an’ireo olona mitondra ny tsimokaretina VIH amin’ny distrika maromaro
– Hisy fiofanana hatao hoan’ireo mpiasan’ny fahasalamana
Teo ampamaranana Andriamatoa Ministra dia nanao ny tatitra ireo dia izay naleany nandritry ny herinandro lasa teo, hentitra izy amin’ny tokony hanatanterahana antsakany sy andavany ny asa izay miandry ny tsirairay avy, ary nitondra ny firariantsoa ho an’ny tsirairay amin’ny fiatrehana ny herinandro vaovao.
Ny Ministeran’ny Fahasalamambahoaka dia mirary herinandro finaritra ho antsika rehetra.
Sary sy lahatsoratra : SCM/MSANP