Anatin’ny fanohizana ireo ezaka lehibe ataon’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka hanatsaràna ny kalitaon’ny tolotra fanaovam-baksiny eto Madagasikara ny fanànana fitaovana fitahirizana manarapenitra ireo vaksiny.
Nanolotra fitaovana ho fanohanana ny sehatry ny fahasalaman’ny Reny sy ny Zaza ireo mpiaramiombonantoka akaiky amin’ny Ministera, amin’ny alalan’ny DPEV – Direction de Programme Elargi de la Vaccination, dia ny Banky Iraisampirenena izay nanolotra vata fampangatsiahana mandeha amin’ny herin’ny masoandro miisa 130, ary ny Unicef izay nanolotra « kits de prévention » ho fisorohana amin’ny Covid-19, androany, tao an’efitranon’ny SALAMA teny Anosiala Ambohidratrimo.
« Zavadehibe sy manandanja ireo fitaovana ireo amin’ny fandraisana an-tanana ny fahasalaman’ny Reny sy ny zaza manerana ny Nosy, mba ahafahana manao vaksiny ny zaza malagasy rehetra, isorohana amin’ireo karazan’,aretina » hoy Atoa Sekretera Jeneraly, solotenan’ny Ministrin’ny Fahasalamambahoaka, raha nandray ireo fitaovana tamin’ny fomba ofisialy.
Ho tsinjaraina manerana ireo CSB sy hopitaly amin’ireo distrika 15 anatin’ny faritra 5 ( Analamanga, Itasy, Alaotra Mangoro, Bongolava, Vakinankaratra ) ireo vata fampangatsiahana, hanavaozana ireo fitaovana efa tranainy izay efa tsy manaraka ny fenitra intsony.
Sary sy fanadihadiana : SCM/MSANP
Lahateny feno an’Andriamatoa Sekretara Jeneraly :
https://www.youtube.com/watch?v=zmc7k7GHDg4&t=7s