Ny fifanomezan-tanana toy izao no antoka handresentsika ny « covid-19 ». Tsy vao sambany fa efa matetika ny « Croix Rouge Malagasy » no nanolotra fanampiana ho an’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.
Raha mikasika ny fanampiana androany manokana dia nahitana « EPI », « Intrants laboratoires et imagéries » izay mitentina 25.000 Dôlara Amerikanina.
Andriamatoa Sekretera Jeneraly notronin’ireo Tale sy mpiara-miasa aminy no nandray ireo fanampiana ireo tamin’ny anaran’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka, androany maraina teto Ambohidahy.
Ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka dia misokatra amin’ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra rehetra ho fanatsarana hatrany ny tontolon’ny fahasalamana eto Madagasikara.
Misaotra ny « Croix Rouge Malagasy »
Malagasy mifanohana, mandresy ny coronavirus

Prof. SOLOFOMALALA Gaëtan Duval, Secrétaire Général – MSANP

Mme Andoniaina RATSIMAMANGA – Secrétaire Général Croix Rouge Malagasy

Membres du Staff du Ministère de la Santé Publique.

Sary sy fanadihadiana: SCM/MSANP