Fanafody mitentina 20 Tapitrisa ariary no natolotry ny orinasa SALAMA hoan’ny Ministeran’ny Fahasalamambahoaka androany 25 Aogositra 2020, nandray ireo fanafody ireo tamin’ny fomba ofisialy ny Minisitra Pr. RAKOTOVAO Hanitrala Jean Louis.
Mbola mitohy hatrany ny ady ataontsika amin’ny COVID-19, na dia misy fahatsarany aza izany hoy Andriamatoa Minisitra, ary ao anatin’izany dia zava-dehibe izao tolotanana fanomezana fanafody avy amin’ny orinasa SALAMA izao satria mbola misy ireo marary mila izany fanafody izany, ary tsy maintsy mipaka any amin’ny vahoaka ireo fanafody ireo amin’ny filàn’ny tsirairay avy.
Nandritra ny lahateny izay nataony dia nanentana ny vahoaka malagasy rehetra Andriamatoa Minisitra amin’ny maha zava-dehibe ireo « gestes barrières » ka tokony ho arahina antsakany sy andavany.
« ny ady iombonana, samy manana ny tandrify azy koa dia manentany ny tsirairay avy hanao ny tandrifiny sy hanaraka ny fepetra rehetra, ka dia tsy ho ela dia ho resintsika izany CORONAVIRUS izany » hoy Andriamatoa Minisitra, raha namarana ny lahateniny