Nametraka ireo toromarika hifampitondrana teo anivon’ireo Mpitantana (DG, Directeurs centraux, Directeurs des Etablissements teto Antananarivo) ny Ministra ny marainan’ny Alatsinainy 24 Aogositra 2020.
Nambarany fa hitohy isan-kerinandro izay Staff izany ny marainan’ny alatsinainy. ny folak’andro kosa dia fihaonany amin’ireo Membres de cabinet.
Hisy koa ny staff iarahany amin’ireo Chef de Services isam-bolana…
Maro ny toromarika napetrany:
(i) Miandry vokatra azo tsapain-tanana mipaka any amin’ny vahoaka ny fitondram-panjakana,
(ii) Olon’ny asa no ilaina,
(iii) Hisy ny tombana sy ny fanaraha-maso handrefesana ny asan’ny tsirairay,
(iv) Mila entitra amin’ny fanatanterahana ny asa,
(v) hisy ny « audit organisationnelle »,
(vi) fanajana ny « esprit d’équipe »,
(vii) « sans corporatisme »,
(viii) « proactivité, rigueur, autonomie, culture de CR, contrôle et suivi, sanctions , ….. »
Nifandimby nandray fitenenana taorinan’ny fametrahana izany:
(i) SG sy ny ekipan’ny DAAF namelabelatra ilay LFI 2021 avy amin’ilay CDMT 2021 – 2023.
(ii) nasiana resaka ireo fotodrafitrasa eo am-pananganana manerana ny nosy (DHRD),
(iii) nanao tatitra ny DGFS mahakasika ny « engagements budgétaires »,
Ho an’ny fahasalamana.
Sary sy loharanom-baovao: DPS