Fitaovana maro toy ny « appareil de radiographie portatif » miisa 16, « moniteur de surveillance » miisa 16, « appareils ECG » miisa 16, ary « ambulances » miisa 6, izay mitentina « 15 milliards ariary » no natolotry ny Fitondrana Japoney tamin’ny alalan’ny Masoivohony izay miasa eto amintsika, ho an’ny Fitondrana Malagasy androany maraina teny amin’ny Ministeran’ny Raharaham-bahiny teny Anosy. Tsara ny manamarika fa izao fanampiana izao dia tafiditra ao anatin’ilay Tetikasa  » Plan de développement économique et social ».

Nisolo-tena ny Fitondram-panjakana nandray ireo fanampiana ireo, ny Minisitry ny Raharaham-bahiny sy ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka izay nanambara fa ho aparitaka manerana ny faritra maro eto Madagasikara ireo fitaovana ireo, hanatsaràna sy hanamafisàna ny tontolon’ny fahasalamana eto amintsika, na eo amin’ny sehatry ny reny sy ny zaza, na amin’ny ady amin’ireo valanaretina maro samihafa toy ny Tazomoka sy ny « Covid-19 ».

Fanadihadiana: SCM/MSANP