Ao anatin’izao hamehana ara-pahasalamana izao dia mitohy hatrany « NY FITATERANA MAIMAIMPOANA » ireo vehivavy mitondra vohoka hamonjy Toeram-pitsaboana, hisafo na hiteraka.

Toy izao ary ny fandaminana mikasika izany.
Ho an’ireo vehivavy mitondra vohoka monina eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina hamonjy ny :

– Maternité Befelatanana dia miantso ny 034.14.202.91 (Atoandro) 034.14.202.84 (Alina)

– Maternité Itaosy dia miantso ny 033 28 307 08 (Atoandro sy alina)

Ho an’ireo vehivavy mitondra vohoka monina any Toamasina hamonjy ny Maternité CHU Analakinina dia miantso ny 034 56 996 08 (Atoandro sy alina)

Isaorana ny « UNFPA » izay miara-miasa akaiky amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’izao hetsika fanampiana ny Mpiray Tanindrazana izao.

Malagasy mifanohana, mandresy ny « coronavirus ».

Fanadihadiana: SCM/MSANP