Araka ireo hitantsika amin’ny sary eo ambany ireo dia Faritra sy Distrika maro eto anivon’ny Nosy no novatsian’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka fitaovana sy fanafody, hitsaboana marary ary ho ampiasain’ireo mpiasan’ny fahasalamana izay manao ny ainy tsy ho zavatra amin’ny fikarakarana ireo olona izay manana olana ara-pahasalamana ireo.
Mikaon-doha andro aman’alina ireo mpitantana sy teknisianina eto anivon’ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka sy any amin’ny faritra mikaroka izay fomba handrindrana ny famatsiana sy fitsinjarana ireny fitaovana sy fanafody ireny. Izany dia miankina amin’ny filàna vokatry ny zava-misy ao anatin’ny faritra iray.
Tanjontsika miaraka ny handresy ity valanaretina ity, manentana hatrany antsika vahoaka ary, hanaraka an-tsakany sy an-davany ireo toromarika sy fepetra noraisin’ny Fitondram-panjakana hisorohana ny fiparitahan’ny valanaretina.
Malagasy mifanohana, mandresy ny coronavirus
#Arovy_ny_tenanao
#Arovy_koa_ny_hafa
#Zarazarao
Sary AT/SG