« POINT DE PRESSE » NAMPAHAFANTARAN’NY MINISTERAN’NY FAHASALAMAM-BAHOAKA IREO ANJARA ANDRAIKINY AMIN’NY ADY AMIN’NY « COVID-19 »
Anisan’ny paik’ady atao amin’izany ny fanamafisana ny fisorohana ny aretina (Prévention) sy ny fanatsarana ny fitsaboana ireo marary (Prise en charge).
Ny Ministeran’ny Fahasalamama-bahoaka sy ireo ratsa-mangaikany any amin’ny Faritra sy Distrika dia miezaka mandray ny andraikitra tandrify azy araka ireo toromarika nomen’ny Filoham-pirenena. Taratasy savaranonando ihany iny nosoratan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka ho an’ireo Mpiaramiombonantoka iny.
Miasa andro aman’alina ny Filoham-pirenena sy ny Governemanta manontolo mitady vahaolana miaraka handresena ny fahavalo iraisana dia ny « Covid-19 ».
Araho ary ny fanazavan’ Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Pr Ahmad AHMAD, sy Andriamatoa Sekretera Jeneraly, Pr SOLOFOMALALA Gaëtan Duval.