Amperin’asa tanteraka ireo « Ambulance » miisa 14 novidian’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka tamin’ny famatsiam-bolan’ny Banky Iraisam-pirenena.
Misy amin’izy ireo no miasa eto an-drenivohitra, misy ihany koa ireo any amin’ny Faritra toy ny any Melaky sy Vatovavy-Fitovinany.
Manampy azy ireo amin’ny Fitaterana ireo mararin’ ny « Covid-19 » eto an-drenivohitra mamonjy ireo Toeram-pitsaboana lehibe ihany koa ireo « Ambulance » avy amin’ny Fiadidiana ny Repoblika.