Raha vao miresaka LA2M isika, dia fitiliana « PCR » avy hatrany no mby ao an-tsaina ao anatin’izao ady atrehantsika miaraka handresena ny « covid-19 » eto Madagasikara izao.
Maro dia maro tokoa ankehitriny ireo singa (prelèvement) tonga eny an-toerana. Dingana maro no lalovana vao tonga amin’ireny valim-pitiliana henontsika amin’ny haino amam-jery ireny. Marihana moa fa raha tsy misy ny olana ara-teknika dia mahavita fitiliana singa 384 ao anatin’ny roa ora ity ivo-toerana ity raha araka ny nambaran’ny Tomponandraikitra izay miasa eny an-toerana.
Maro lafy ireo mpiasan’ny fahasalamana izay miasa andro aman’alina eny an-toerana amin’izao hamehana ara-pahasalamana izao.
Misaotra ary mankahery azy ireo isika.
Sary vitsivitsy maneho ny asan’izy ireo.
Malagasy mifanohana, mandresy ny « coronavirus ».