Tonga ny atoandron’ny 15 Aprily 2020 teny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato ny fitaovana hoentin’ny mpiasan’ny Fahasalamana miatrika ny valanaretina coronavirus eto amintsika.

Fitaovana izay ahitana « respirateur », « EPI », arovava, aro-tanana, « Thérmomètre infra-rouge », « Kit de prélèvement » izay
haparitaka manerana ny faritra.

Izy io moa dia fanomezana avy amin’ny « Fondation Jack Ma » sy ny « OMS ».

Nandray ireo fitaovana ireo tamin’ny fomba ôfisialy Andriamatoa Ministra ny Fahasalamam-bahoaka, Andriamatoa Minisitra ny Raharaham-bahiny, Ramatoa Solotena maharitry ny OMS miasa sy monina eto Madagasikara, Ramatoa Ambasadoran’i Sina miasa sy monina eto Madagasikara, ary ny Solotenan’ny Fiadidiana ny Repoblika.