Madagasika miatrika ny Coronavirus
Tonga namaly ny antson’ny fanjakana ireo interne en medicine amin’ny fiatrehana sy fisorohana ny fiparitahan’ny valan’aretina CORONAVIRUS eto Madagasikara
Nandray ireo toromarika sy fampitaovana avy amin’ny fiadidian’ny Repoblika sy ireo Tompon’andraikitra avy amin’ny Ministeran’ny Fahasalamana tao amin’ny “amphiteatra” tao amin’ny Hopital Joseph Ravoahangy Andrianavalona HJRA.
Arak any baikon’Andriamatoa filohan’ny Repoblika dia niditra antsehatra avy hatrany tamin’ny fanaraha maso sy fitiliana ireo mpandeha tamin’ireo sidina avy any ivelany ,izay natokamonina (en Quarantaine) any amin’ireo Hotely sy Hopitaly ary any antranony, ireo “interne” ireo.
Efa nampiasaina nandritra ity fitiliana sy fizaham-pahasalamana ity ireo fitaovana tonga afak’omaly dia ilay fanaovana test rapide( TDR) izay efa nojerevan’ireo siantifika Malagasy ary azo ampiasaina sy ampiharina tsara.