Namoy mpiara-miasa iray isika eto anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.
Ny Infirmiera RAKOTOARINIVO Andrianantenaina Samuel,
Promotion VAGNO 2006 – IFIRP Antananarivo.
Chef CSB II Talatan’ Angavo, SDSP Ankazobe, DRSP Analamanga.
Marihana fa ny namana izay nandao antsika dia efa voafidin’ny “Association des Paramedicaux de Madagascar” ho “Infirmier de l’année 2014” noho ny fahavitrihana manokana nananany tamin’ny Fikarakarana sy fitsaboana ny vahoaka tany amin’ny toerana izay niasany.
Raha tsiahivina kely ny tantara dia ny fahamaizan’ny toeram-piasany ny Zoma 08 Febroary 2019 lasa teo no nitarika ny fahamaizany ka voatery nampidirana azy hanaraka fitsaboana haingana tao amin’ny CHUJRA Ampefiloha.
Nanoloana izao fahalasany izao dia tonga naneho ny fiaraha-miory tamin’ny Fianakaviany ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka izay notarihan’ Andriamatoa Minisitra sy ny Mpiara-miasa aminy akaiky.
Ny fandevenena an’Itompokolahy tany am-pasan-drazany dia notanterahina ny Zoma 22 Febroary teo, tany amin’ny Fokontany Ambodiala, Kaominina Ambanivohitra Ankadinandriana Avaradrano.
Tonga nanatrika izany Andriamatoa Talen’ny Kabinetra, izay nisolotena an’ Andriamatoa Minisitra sy ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, Andriamatoa Tale-paritra ny Fiadidian’ny Fahasalamana Analamanga, ary ireo mpiara-miasa taminy akaiky tao amin’ny SDSP Ankazobe .