๐๐๐ฌ ๐๐ ๐๐ก’๐ก๐ฌ ๐ง๐ฆ๐๐๐๐ก๐๐๐ฅ๐๐๐ก๐ง๐ฆ๐๐๐๐๐ข ๐ ๐๐ง๐๐ฅ๐๐ญ๐ข๐๐: ๐๐ฎ๐ป๐ผ๐บ๐ฎ๐ป๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ป๐ ๐ณ๐ถ๐ฑ๐ถ๐ฟ๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ฎ๐บ๐ถ๐ป’๐ป๐ ๐ง๐ฒ๐๐ถ๐ธ๐ฎ๐๐ฎ ๐๐๐๐ฌ ๐ฎ๐ป๐ฑ๐ถ๐ฎ๐ป๐ ๐ณ๐ฎ๐ต๐ฎ๐ฟ๐ผ๐ฎ (๐ฃ๐ต๐ฎ๐๐ฒ ๐๐)
par | 24 Aoรปt 2022 | Actualitรฉs, Evรจnements, Nos rรฉalisations |

Tanjona ankapobenโny Tetikasa ny hampihenana ho 30% ny tahan’ny tsifanjariantsakafo mitarazoka izay miteraka fahataran’ny fitomboana ho an’ny Zaza latsaky ny roa taona.

Ny fampitomboana ny fampiasana ireo tolotra mikasika ny fanjariantsakafo sy ny fahasalaman’ny Reny sy ny Zaza ary ny fahasalamana ara-pananahana eny anivon’ny Tobimpahasalamana fototra (CSB 2) sy Toby FAFY no anisan’ny paikady entina hanatrarana izany , izay mifanindran-dalana rahateo amin’ny Velirano fahadimy, teboka voalohany.

Hiditra amin’ny andiany faharoa ny Tetikasa ary nisy ny atrikasa ho fanomanana izany, izay tanterahina nanomboka omaly hatramin’ny Zoma 26 Aogositra 2022 ao Antsirabe, renivohitry ny Faritra Vakinankaratra.

Mandray anjara amin’izao atrikasa izao avokoa ireo Tomponandraikitra eto anivon’ny Ministera foibe sy eny anivon’ireo Fitaleavam-paritra izay miantsehatra amin’ny Tetikasa.

Ireo Faritra 09 misitraka ny Tetikasa FAFY: Analamanga, Itasy, Vakinankaratra, Bongolava, Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony, Alaotra Mangoro, Vatovavy, Fitovinany.

Ireo faritra 04 hisitraka ny Tetikasa manomboka ny taona 2023:
Atsinanana, Androy, Atsimo Atsinanana, Anosy.
๐ง๐ฒ๐๐ถ๐ธ๐ฎ๐๐ฎ ๐๐๐๐ฌ: ๐๐ฎ๐ป๐ท๐ฎ๐ฟ๐ถ๐ฎ๐ป๐๐๐ฎ๐ธ๐ฎ๐ณ๐ผ ๐๐ ๐๐ฎ๐ต๐ฎ๐๐ฎ๐น๐ฎ๐บ๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ถ๐ณ๐ผ๐๐ผ๐ป๐.
———–
@Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola
Power of Nutrition

: SCM/DIRCOM-MSANP
