๐๐ป๐ฑ๐ฟ๐ฎ๐ถ๐ป๐ฎ๐ฟ๐ถ๐๐ผ, ๐ญ๐ฐ ๐๐ฝ๐ฟ๐ถ๐น๐ ๐ฎ๐ฌ๐ฎ๐ฎ – Andriamatoa Minisitry ny fahasalamam-bahoaka no namarana tamin’ny fomba ofisialy ny fivoriana androany.
Fivoriana fandaminan’ asa izay naharitra telo andro ary nahafahana niresaka sy nifampizara ny vinan’ny Ministera iray manontolo. Nanomezana ihany koa toromarika sy torolalana ho fanatanterahana haingana sy miaraka ny Velirano fahadimin’ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA.
Taona maro no efa niandrasana izao fivoriana izao ary samy naneho fahavonona ny rehetra ny hanatanteraka ireo lamina napetraka sy hanohy ireo ezaka efa natomboka ho fampivoarana ny Fahasalamam-bahoaka manerana ny Nosy.
Izay salama no afaka mamokatra, ary asa avy hatrany izy ity fa tsy Kabary satria tsy misy andraso andraso ny fampandrosoana ny firenena.
๐๐๐ฎ ๐๐๐ฎ๐ฟ๐ฎ ๐ฟ๐ถ๐ป๐ฑ๐ฟ๐ฎ, ๐ณ๐ฎ๐บ๐ฝ๐ฎ๐ป๐ฑ๐ฟ๐ผ๐๐ผ๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ฎ๐๐ผ ๐ฎ๐ป๐๐ผ๐ธ๐ฎ!
: SCM/DIRCOM-MSANP