Herinandro vitsivitsy taorian’ny fitsidihan’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA ny DistrikanโAnosibe an’Ala izay nitsidihany ny CHRD ary nampanantenainy ยซย Radiographie Numรฉriqueย ยป ho anโity hopitaly ity dia tanteraka soa aman-tsara izany ankehitriny, ka ny 04 Aprily 2022 lasa teo no nanatanterahana ny fandraisana tamin’ny fomba ofisialy ity fitaovam-pitarafana raitra dia raitra ity.
Tonga nanome voninahitra izany ireo olom-boafidy sy olom-boatendry ary ny vahoaka ao amin’ny DistrikanโAnosibe anโAla.
Ezaka manokana mba hahazoanโny vahoaka misitraka tolotra ara-pahasalamana tsara kalitao sy akaiky ny vahoaka izao tontosa
izao, sady ho fanatanterahana rahateo aminโny Velirano fahadiminโny Filoham-pirenena : ยซ Fahasalamana ho anโny rehetra, tsy anavahana sokajin-taona ยป. Vahoaka marobe no hahazo tombontsoa aminโny fisianโity fitaovana fitarafana vaovao sy avo lenta ity manomboka izao.
Nankasitraka izao fanomezana izao ny vahoaka sy ny tomponandraiki-panjakana ao an-toerana satria afa-pahasahiranana izy ireo ary tsy voatery mandeha lavitra be intsony vao afaka hisitraka izany.