Asa vadi-drano ny fampivoarana ny Fahasalamam-bahoaka ary misokatra mandrakariva amin’ny fiaraha-miasa ho fanatanterahana izany ny Fitondram-panjakana ankehitriny.
CSB 104 miampy LABORATOIRE DE ยซย REFERENCE ao amin’ny Faritra DIANA, sy CSB 136 miampy
CHRD telo (03) ao amin’ny Faritra SAVA no nisitraka fampitaovana vokatry ny fiaraha-miasa akaiky teo amin’ny Fitondram-panjakana Malagasy amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Governemanta Amerikanina amin’ny fandaharanasa USAID ACCESS sy ny Project CURE.
Fampitaovana izay ahitana fandriana sy kidoro 200 miampy fitaovana sy kojakoja medikaly maro samihafa, hanatsarana ny Tolotra ara-pahasalamana eny anivon’ny Tobimpahasalamana fototra sy ny Hopitaly, ho fanatanterahana ny Velirano Fahadimin’ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA, ยซย Fahasalamana ho an’ny daholobe tsy anavahana sokajin-taonaย ยป.
Tontosa androany 31 martsa 2022 tany Antsiranana ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ireo fampitaovana ireo. Dr YASMINE Lethicia Lydia, Sekretera Jeneralin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka no nisolo tena an’Andriamatoa Minisitra nandray izany tamin’ny fomba ofisialy, notronin’ireo Olomboafidy sy Manampahefana isan-tsokajiny ao amin’ny Faritra DIANA sy SAVA, izay nahitana an-dRamatoa Filoha Lefitry ny Antenimieram-pirenena, Andriamatoa Governoran’ny Faritra DIANA, ny Ben’ny Tananan’ny Kaominina Andrenivohitra Antsiranana, ny Talen’ny DSSB, ireo Talem-paritry ny Fahasalamam-bahoaka DIANA sy SAVA, ary Andriamatoa Tale Lefitry ny Fandaharanasa USAID ACCESS.
Mihazakazaka ny fanatanterahana ny Velirano eto anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka ary tsy hisy distrika ho adino na dia iray aza.
Mankasitraka ireo Mpiara-miombonantoka izay manao tohivakana ankehitriny, mirotsaka an-tsehatra, miara-misalahy manatanteraka izany.
:SCM/DIRCOM-MSANP