๐ŸŽฏ Toy ny Faritra Atsimo Andrefana, dia isan’ireo nisitraka ny Tetikasa TIP TOP/JHPIEGO ihany koa ireo vehivavy bevohoka ao amin’ny Faritra Vatovavy sy ny Faritra Fitovinany.
โญ• Ny Tetikasa TIP TOP/JHPIEGO izay fiaraha-miasa teo amin’ny Fitondram-panjakana Malagasy ๐Ÿ‡ฒ๐Ÿ‡ฌ amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Mpiara-miombon’antoka JHPIEGO, ho fiarovana ny vehivavy bevohoka manoloana ny aretina tazomoka.
โญ• Taorian’ny dimy (5) taona niasany dia nifarana ny Tetikasa ankehitriny. Tontosa ny faha 22 sy 24 Martsa 2022 lasa teo, tao amin’ny distrikan’i Mananjary, faritra Vatovavy, sy ny distrikan’i Vohipeno faritra fitovinany, ny lanonana ofisialy famindram-pitantanana ny Tetikasa avy amin’ny Mpiaramiombonantoka Jhpiego ho an’ ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.
โœ”๏ธ ยซย Malagasy tsy ho fatin’ny Tazomokaย ยป, ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka dia misokatra amin’ny fiaraha-miasa amin’ny rehetra hanatrarana miaraka ny vina izay napetraky ny Fitondram-panjakana ๐Ÿ‡ฒ๐Ÿ‡ฌ ankehitriny.
๐Ÿ“ธ: SCM/DIRCOM-MSANP