𝗔𝗞𝗢𝗡’𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗡𝗔𝗡𝗚𝗔𝗡𝗔𝗡-𝗧𝗦𝗔𝗜𝗡𝗔
𝗔𝗺𝗯𝗼𝗵𝗶𝗱𝗮𝗵𝘆, 𝗔𝗹𝗮𝘁𝘀𝗶𝗻𝗮𝗶𝗻𝘆 𝟮𝟭 𝗺𝗮𝗿𝘁𝘀𝗮 𝟮𝟬𝟮𝟮 –
Miditra amin’ny famitana sy fanatrarana ny tanjona ankehitriny ny Fitondram-panjakana, hampihatra izany avokoa ireo Andrim-panjakana sy ny Ministera rehetra mba tsy hisy na dia iray aza Distrika adino ao anatin’ireo velirano 13 izay napetraky ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA.
Vaovao lehibe nisongadina tamin’iny herinandro iny ny fanavaozana ny mpikambana teo anivon’ny Governemanta. Voatendry hanohy ny fitantanana ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka ny Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo ary androany no niarahabana sy nirariana soa azy.
Naneho fahavononana hatrany ireo mpisehatra ara-pahasalamana rehetra hanohy ny asa efa natomboka sy nikelezana aina ho fanatanterahana ny Velirano fahadimy, « Fahasalamana ho an’ny daholobe tsy anavahana sokajin-taona. »
Anisan’ny nanamarika iny herinandro lasa iny ihany koa ny fitokanana ny CSB II manarapenitra ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Betampona, Distrikan’i Fenoarivo Atsinanana, Faritra Analanjirofo; izay teo ambany fitarihan’ny Filohan’ny Repoblika, Andry RAJOELINA.
Nambaran’ Andriamatoa Minisitra nandritra ity fananganan-tsaina androany ity fa mandritra ny enim-bolana (6) manaraka dia hamafisina ny fametrahana ny ‘’Normes et Standards de service’’ manerana ireo birao sy toeram-piasan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka manerana an’i Madagasikara, ary apetraka ho fitaratra amin’izany ny Ministera foibe.
Nanentana ny rehetra hanohy hatrany ny fanajana ireo fepetra sakana Andriamatoa Minisitra na dia efa hita taratra aza ny fihenan’ny antotanisa isan-kerinandro mikasika ny trangan’ aretina covid-19.
Fanampiny, eo amin’ny lafiny fanatanjahantena dia voahosotra ho Tompondakan’i Madagasikara taranja « CROSS-COUNTRY » izay natao tany Manakara ny 12 martsa 2022 lasa teo i RALISY Nirina Marth avy amin’ny Klioba 3FB. Nampahafantarina androany ity Atleta sangany izay nitondra avo ny fanevan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka ity.
Mirary herinandro feno fahombiazana ho antsika rehetra ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.
SCM/DIRCOM-MSANP





+2