βœ… Afa-pahasahiranana amin’ny lafiny fitsaboana ny kaominina Ambanivohitr’i Betampona distrikan’i Fenoarivo Atsinanana manomboka izao. Nahazo CSB II Manara-penitra ity kaominina ambanivohitra ity, raha toa ka tsy nisy toeram-pitsaboana sy mpitsabo mihitsy teo aloha.
βœ… Ahitana ny fitsaboana ny aretina rehetra amin’ny ankapobeny eto amin’ity tobim-pitsaboana ity, misy Β« maternitΓ© Β» ary manana ny vata fampangatsiahana fitehirizana vaksiny mandeha amin’ny herin’ny masoandro. Manamafy ny vinan’ny Fitondram-panjakana ny hitondra fitsaboana manakaiky vahoaka izany satria Betampona dia tanΓ na mitoka-monina sy miorina an-tampon-kavoana.
βœ… « Tsy mijanona amin’ny fitsidihina ny renivohitry ny distrika fotsiny fa midina hatrany amin’ny kaominina ambanivohitra mihaino ny hetahetan’ny vahoaka ny Fitondram-panjakanaΒ Β» hoy ny Filoha Andry RAJOELINA raha nitokana izany fotodrafitrasa izany androany 18 martsa 2022.