𝗖𝗔𝗥𝗔𝗩𝗔𝗡𝗘 𝗗𝗘 𝗟𝗔 𝗦𝗔𝗡𝗧𝗘 𝗧𝗔𝗢 𝗠𝗔𝗡𝗔𝗞𝗔𝗥A

 

⭕ Rehefa avy nandalo tao Ambositra sy Kianjavato, dia i Manakara indray no nampiantrano ny « Caravane de la santé » 🚑🚑🚑 androany alahady 06 martsa 2022.

 

⭕ Hetsika sosialy ho ala sahirana ho an’ny vahoaka, indrindra ny vehivavy sy ny zaza, amin’izao ankatoky ny 8 martsa, Andro iraisam-pirenena ho an’ny Vehivavy izao.

Tolo-kevitra avy amin-dRamatoa Mialy RAJOELINA, Vadin’ny Filoham-pirenena, sady Filohan’ny Association Fitia, ny « Caravane de la santé », ary fiaraha-miasa eo amin’ny Association Fitia sy ny Fiadidiana ny Repoblika amin’ny alalan’ny DASP, ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny Ministeran’ny Mponina ary ireo mpiara-miombonantoka isan-tsokajiny no nahafahana nanatanteraka azy.

 

⭕ Tonga nitsidika sy nijery ifotony ny fisitrahan’ny vahoakan’i Manakara ireo tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana marobe nentin’ny « Caravane de la santé » ho azy ireo, Ramatoa Mialy RAJOELINA, nandritra ny fandalovany tao an-drenivohitry ny Faritra Fitovinany androany, raha nanamarika ny Andro’ny Vehivavy niaraka tamin’ireo fikambanam-behivavy tao an-toerana ny tenany. Nanotrona azy tamin’izao fandalovany izao ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Pr Zely Arivelo Randriamanantany.

 

⭕ Vory lanona sy nankasitraka ny tsy naha-lavi-tany azy ireo kosa ny vahoaka, afa-pahasahiranana satria nahazo ny fitsaboana sahaza azy ny tsirairay.

 

⭕ Hihazo an’Antsirabe indray ny « Caravane de la santé », ka hamarana ny dia ao Antsirabe, ny andron’ny 08 Martsa, ho fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Vehivavy.

 

📸: SCM/DIRCOM-MSANP