𝗖𝗔𝗥𝗔𝗩𝗔𝗡𝗘 𝗗𝗘 𝗟𝗔 𝗦𝗔𝗡𝗧𝗘: 𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗩𝗮𝘁𝗼𝘃𝗮𝘃𝘆

 

𝗔𝗸𝗼𝗿𝘆 𝗹𝗮𝗵𝗮𝗹𝘆 𝗲! – Mitohy hatrany ny hetsika ara-pahasalamana « caravane de la santé » 🚑🚑🚑 eo ambany fitarihan-dRamatoa Mialy RAJOELINA, vadin’ny Filohan’ny Repoblikan’ i Madagasikara no sady Filohan’ny Fikambanana FITIA izay tafiditra anatin’ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy.

 

⭕ Mifanome tanàna amin’ny Fanatanterahana izany ny Fikambanana Fitia sy ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka, ny Ministeran’ny Mponina ary ireo Mpiara-miombonantoka maro samihafa

 

⭕ Ambohipihaonan’ireo mponina ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Kianjavato ny teo amin’ny Kianja Lemandiny Jean Baptiste androany Asabotsy 05 martsa 2022 izay toerana nanatanterahana ny hetsika.

 

⭕ Vory lanona ny vahoaka tonga nisitraka ireo tolotra ara-pahasalamana marolafy, ary nisaotra ny Fitondram-panjakana izy ireo nisafidy ity Kaominina ambanivohitra ity nanatanterahana izao fitsaboana manatona vahoaka izao.

 

⭕ Nitarika sy nanome voninahitra ny hetsika androany, ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo, notronin’ny Governoran’ny Faritra Vatovavy, ny Ben’ny Tananan’ ny Kaominina ambanivohitra Kianjavato sy ireo tompon’andraikitra sivily sy miaramila isan-tsokajiny.

 

⭕ Hitohy manoloana ny GARA MANAKARA, faritra Fitovinany indray ny CARAVANE DE LA SANTE rahampitso Alahady 06 martsa 2022.

 

📸: SCM/DIRCOM-MSANP