Ankalazaina isaky ny alatsinainy faharoa ao anatinโ€™ny volana febroary ny andro iraisam-pirenena ho anโ€™ny Androbe.
Ny lohahevitra amin’ity taona ity dia : โ€œ Ndao hiara-hientana hiady aminโ€™ny androbe: fepetra takiana ho fanatsaranโ€™ny fahasalamanโ€™ny vahoakaโ€.
Ny Androbe dia aretinโ€™ny atidoha , miseho aminโ€™ny alalanโ€™ny fanintona miverimberina. Misy karazany maro ny fisehony.
Mety mahazo ny olona rehetra izy. Tsy mamindra ny androbe, tsy manaranaka ary azo tsaboina tsara.
Olona miisa 21 ao anatinโ€™ny 1000 no voanโ€™ity aretina ity izany hoe eo ho eo aminโ€™ny roa (2) isan-jatonโ€™ny mponina eo eto Madagasikara.
Koa manentana antsika tsirairay avy hanana herimpo sy fitiavana ombana ezaka ary finiavana ho aminโ€™ny fanentanana ny fisorohana ny androbe.
Manentana ny fiaraha-misalahintsika eo aminโ€™ny fiatrehana sy fandraisana an-tanana ireo olona tratranโ€™ny aretina androbe ary hanohitra ny fanilikilihana aminโ€™ny endriny rehetra atao aminโ€™ny olona voanโ€™ny androbe.
Fampitam-baovao: Dlmnt