Amin’ny maha ยซย Ministre Coachย ยป azy dia nidina ifotony tany amin’ny Faritra Itasy androany, ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo nijery ny zava-misy teo anivon’ny faritra araka ny toromarika avy amin’ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA nandritra ny Filan-kevitry ny minisitra ny Alakamisy 10 febroary 2022 lasa teo.
Notsidihany tamin’izany ny Distrikan’ Arivonimamo, Miarinarivo ary Soavinandriana.
Nandritra izany dia nisy ny fihaonany tamin’ireo Manampahefana isan-tsokajiny tany an-toerana, nijery ireo fahasimbana nateraky ny andro ratsy sy ny rivo-doza Batsirai ary nandinika ireo paikady entina hanafainganana ny asa fanarenana. Ohatra amin’izany ny fahasimbana nahazo ny Lycรฉe Soavinandriana sy ny fahatotoran’ireo tanimbary ao Arivonimamo sy Miarinarivo.
Nojerena ihany koa ny mikasika ny fampiroboroboana ny Fahasalamam-bahoaka ao amin’ny Faritra Itasy, ny fangatahan’ny mponina ny amin’ny hananganana ยซย Bloc operatoireย ยป ao Arivonimamo, ary ny toerana hananganana Hรดpitaly Manarapenitra ao Miarinarivo.
Nandritra izao fidinana ifotony izao dia nisy ny fihaonana tamin’ny mpiasan’ny fahasalamana, nizarana ireo toromarika amin’ny fandrindrana ny fandraisana an-tanana ireo marary, ny fanatsarana hatrany ny kalitaon’ny Tolotra ara-pahasalamana ary ny fanohizana ireo ezaka rehetra efa natomboka amin’ny fanatanterahana ny velirano fahadimy.
Fehiny, toy ireo faritra hafa nolalovan’ny Rivodoza Batsirai dia isan’ny nahitana fahasimbana ihany koa ny tao amin’ny Faritra Itasy; nankahery ny rehetra Andriamatoa Minisitra ary nanentanana ny amin’ny firaisankina sy ny fandraisana anjara mavitrika amin’ny asa fanarenana.
ยซย Izay tsy mahay sobika mahay fatam-baryย ยป araka ny soatoavina maha-Malagasy antsika ka alao hery ary Tompokolahy sy Tompokovavy.
Sary sy Fampitam-baovao: Attachรฉ de presse MSANP