Manoloana ny voina nitranga teto aminโny faritra Analamanga, noho ny fiakaranโny rano vokatry ny rotsakorana, dia tsy mitazam-potsiny ny Fitondram-panjakana aminโny alalanโny Ministeranโny Fahasalamam-bahoaka fa nametraka ireo mpitsabo na mpizaha fahasalamana maimaimpoana isaky ny toby fandraisana tra-boina.
Vaindohan-draharaha ihany koa anefa ny misoroka sy manentana mba tsy hiparitahanโny tsimokaretina Covid-19 eny aminโireny toerana ireny. Noho izany dia tonga nizara arovava orona ho anโireo vahoaka isaky ny toby fandraisana tra-boina ny tomponandraikitra eo anivonโny Ministeranโny Fahasalamam-bahoaka ka tetsy aminโny Kianja Mitafo Mahamasina sy teny aminโny Complexe Ampefiloha no nanombohana izany androany.
Efa mivonona ihany koa aminโny fepetra fandraisana an-tanana sy ny fanafody samihafa, anisanโizany ny CVO+ raha sanatria ka ahitana tranga eny aminโireny toby ireny.
Manentana hatrany ny vahoaka hanaja ny fahadiovana sy ireo fepetra sakana rehetra ho fiarovana ny fihanahanโny valanaretina.
#aleo_misoroka_toy_izay_mitsabo
#fahasalamana_ho_an_ny_daholobe
#tsy_anavahana_sokajin_taona
SCM/DIRCOM-MSANP