๐๐๐ง๐ฆ๐๐๐ข๐๐ก๐ ๐ ๐๐ก๐๐๐๐๐๐ฌ ๐ฉ๐๐๐ข๐๐๐
Mizotra tsara ny asa fananganana ireo CSB II Manarapenitra manerana ny distrika maro eto Madagasikara, ho fanatsarana ny kalitaonโny tolotra ara-pahasalamana omena ny vahoaka araka ny Velirano fahadimy, teboka faharoa.
Fitsaboana manakaiky vahoaka, fitsaboana mamร ly ny filanโny vahoaka ary tsy hisy distrika ho adino na dia iray aza. Isanโny sakana tsy nahafahanโny vahoaka nisitraka tolotra ara-pahasalamana tsara kalitao nandritra ny taona maro tokoa mantsy ny fahalaviranโny Tobim-pahasalamana. Teo koa ny tsy fisianโny fitaovana sy mpiasanโny fahasalamana nampihodina azy ireny.
Manomboka mivaha izany olana izany ankehitriny noho ny ezaka ataonโny Fitondram-panjakana aminโny alalanโny Ministeranโny Fahasalamam-bahoaka.
Toerana maro izay noheverina ho lavitra sy saro-dalana no nanorenana Tobim-pahasalamana fototra manarapenitra, ary efa vonona ihany koa ny fitaovana sy ny mpiasanโny fahasalamana hiandraikitra azy ireny. Isanโizany ny:
โ CSB II Manarapenitra Ambohimandroso, Kaomina Ambanivohitra Anjiro, distrikanโi Moramanga, Faritra Alaotra โ Mangoro,
โ CSB II Manarapenitra Soanierana, distrikanโi Maroantsetra, Faritra Analanjirofo,
โ CSB II Manarapenitra Kandreho, Faritra Betsiboka,
โ CSB II Manarapenitra Tsarahonenana, distrikanโi Befandriana avaratra, Faritra Sofia,
โ CSB II Manarapenitra Andranotsihozo Ankazondandy, Distrikanโi Manjakandriana, Faritra Analamanga,
โ CSB II Manarapenitra Antsiradava, Distrikanโi Bealanana, Faritra Sofia.
Izay mahakolokolo no manana ny soa, koa entanina isika olom-pirenena tsy ankanavaka ho sarotiny aminโny fanajร na ny fananana iombonana.
โโ
๐ ๐ฎ๐ต๐ฎ๐ถ๐๐ฎ ๐บ๐ฎ๐ป๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ฎ๐ฟ๐ ๐ธ๐ฎ๐ท๐ถ๐ผ ๐ถ๐๐ ๐ถ๐ฟ๐ฒ๐ป๐ ๐ต๐ฎ๐ต๐ฎ๐ฟ๐ถ๐๐ฟ๐ฎ ๐ต๐ผ ๐น๐ผ๐๐ฎ๐ถ๐ป-๐ท๐ฎ๐ณ๐.
โโ
#Velirano_Fahadimy
#Teboka_Faharoa
#Fanatsarana_ny_Tolotra_ara_pahasalamana
SCM/DIRCOM-MSANP