Ambohidahy, Alatsinainy 17 janoary 2022
๐๐๐๐’๐๐ ๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐N-๐๐๐๐๐๐
Tahaka ny fanaony isaka ny fiandohanโny herinandro, dia misy hatrany ny toromarika apetraky ny Minisitry ny fahasalamam-bahoaka, Prof RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo.
Mavesatra ny asa miandry amin’ity taona ity fa ny fiomanana no entina miatrika izany, ao anatinโny fandrafetana ny drafitr’asa 2022 ny rafi-pitantanana rehetra eto aminโny Ministera aminโizao volana fisantarana ny taona vaovao izao.
Mihena ny mararin’ny Covid-19 eny anivon’ny CTC-19, hita taratra ny fahombiazan’ny fiaraha-mientana sy fiaraha-miasa eo anivon’ny Ministera manerana ny Nosy, tratra ny tanjona 1 000 000 ny olona vita vaksiny fanefitra covid-19, naneho fisaorana ho anโireo mpiasanโny fahasalamana izay tsy mikely soroka aminโny fanatanterahana ny adidy amin’ny firenana Andriamatoa Minisitra, mankasitraka hoy izy ny amin’ny fanentanana amin’ny fiarovana, ny fitsaboana ary firotsahana an-tsehatra amin’ity ady amin’ny valan’aretina ity.
Nanentana ny tsirairay hatrany Andriamatoa Ministra aminโny fitandrovana sy fanamafisana ireo fihetsika fiarovan-tena aminโny valanaretina Covid-19, sy ny tokony hanatonana tobim-pahasalamana haingana raha sanatria misy soritraretina, mba tsy hananosarotra ny fandraisana an-tanana.