๐ข๐ป๐ถ๐๐ฒ๐ฟ๐๐ถ๐๐ฒ ๐๐ป๐ธ๐ฎ๐๐๐ผ ,๐ญ๐ฌ ๐ฑ๐ฒ๐๐ฎ๐บ๐ฏ๐ฟ๐ฎ ๐ฎ๐ฌ๐ฎ๐ญI
Mihazakazaka manaraka ny fivoaranโny fandrosoana ny tontolonโny fitsaboana sy ny fikarohana ara-tsiansa sy eto amintsika. Mpikaroka Malagasy maro no mifanome tanana manatanteraka izany, izay ahitana ny avy aminโny Ministeranโny Fahasalamam-bahoaka, ny Ministeranโny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny Oniversite Antananarivo ary ireo Mpiara-miombonโantoka maro avy eto an-toerana sy avy any ivelany.
Notokanana androany 10 desambra 2021 ny Ivontoerana voalohany fanaovana fikarohana mahakasika ny vaksiny eto Madagasikara izay vokatry ny fiaraha-miasa eo aminโny Oniversite Antananarivo sy ny ยซ International Vaccine Institute ยป.
Ivontoerana izay hikaroka ireo karazam-baksiny hoenti-miatrika ireo aretina mateti-pitranga eto amintsika, toy ny ยซ Fiรจvre typhoรฏde, Bilharzioseโฆยป, ary koa ny Covid-19.
Tonga nanome voninahitra izao lanonam-pitokanana izao ny Delegasiona avy aminโny Ministeranโny Fahasalamam-bahoaka izay notarihanโny Dr Adolphe RAKOTONANDRASANA, Sekretera Jeneraly izay nisolotena anโ Andriamatoa Minisitra, Prof. Zely Arivelo RANDRIAMANANTANY. Nanambaranโ Andriamatoa Sekretera Jeneraly nandritra ny fandraisam-pitenenany fa ยซ mamaly ny velirano faha-5 napetraky ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA ny fisianโny Ivontoeram-pikarohana toy izao, izay entina hamokarana vaksiny hiaro ny vahoaka Malagasy ยป.
Marihana moa fa ny fanaovam-baksiny dia isanโireo paikโady iray mahomby hoenti-miatrika sy mandresy ny valanaretina.
SCM/DIRCOM-MSANP