⭕ Araky ny tantara dia tamin’ny taona 1936 no niorenan’ny Hopitaly be Toliara, ka ny vanim-potoana nifandimby no namaritra ny anarany. « Hôpital militaire » tany am-boalohany, niova ho « Hopital principal », « Centre Hospitalier de Référence Provincial », « Centre Hospitalier de Référence Régional » ary « Centre Hospitalier Universitaire » nanomboka ny taona 2014.
🏥 Ny fandraisana an-tanana ireo aretina ilana fandidiana no tena mampalaza ny CHU Antanambao ary afaka mandray marary manodidina ny 230 ny Hopitaly izay mitsinjara amin’ny sampandraharaha maro toy ny:
– A.T.U (Fandraisana an-tanana ny Vonjy Aina)
– REANIMATION
– CHIRURGIE GENERALE
– CHIRURGIE VISCERALE
– STOMATOLOGIE
– OPHTALMOLOGIE-ORL
– NEUROLOGIE
– PSYCHIATRIE
– PHARMACIE
– LABORATOIRE
– IMAGERIE MEDICALE
– ENDOSCOPIE
– ONCOLOGIE ET MEDECINE POLYVALENTE
– PHTISIOLOGIE
– MATERNITE
– PEDIATRIE
– SERVICE D’APPAREILLAGE ET REEDUCATION FONCTIONNELLE
⭕ Ho fampiharana izay voafaritry ny politika ankapoben’ny Minisiteran’ny Fahasalamana dia misy ny fametrahana ilay atao hoe: « pool de compétence » izay mandalo dingana maro kanefa mitondra tombotsoa betsaka eo anivon’ny Hôpitaly satria mampifanampy sy mampifameno ny fisahanana ny mahaolona sy ny fampitaovana ary ny foto-drafitrasa. Marihana fa miorina ao amin’ny Faritry ny Hopitaly ihany koa ny “Ecole de Faculté de Médecine” Toliara.
⭕ Vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny mpiara-miombonantoka dia nasiana fanatsarana ny anatin’ny toerana misy ny hôpitaly izay natao tara (goudron) ary ho fampitomboana ny fahafaha-mandray marary dia efa eo an-dalam-panamboarana amin’izao ny trano vaovaon’ ny sampan-draharaha misahana ny « Vonjy Aina ».
🏪 Mikasika izay « Vonjy Aina » izay indrindra dia efa nihatra teo anivon’ny Hôpitaly nanomboka ny faha 16 oktobra 2021 lasa teo ihany koa ny fampiharana ny « fonds d’urgence sanitaire » amin’ny alalan’ny fanomezana fitsaboana sy fanafody maimaimpoana ireo marary mila « premiers soins d’urgence ». Izany dia fanatanterahana ihany koa ny Velirano fahadimin’ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA, « Fahasalamana ho an’ny rehetra tsy anavahana sokajin-taona » araka ny toromarika avy amin’ny Ministera foibe.
⭕ Araka izany dia azo lazaina fa isan’ireo Tobimpahasalamana mahafeno sy an-dalam-panatanterahana ny fenitra takian’ny vanim-potoana ankehitriny ny CHU Antanambao, koa entanina isika vahoaka ao Toliara sy ny manodidina ho tonga hisitraka ireo tolotra ara-pahasalamana ao an-toerana. Misokatra 24/24 ora, 7/7 andro ny Hopitaly ary vonona ny handray antsika mandrakariva ny Mpiasan’ny Fahasalamana.
🙏 Ankasitrahana ianao namaky hatramin’ny farany, mbola Tobimpahasalamana ao amin’ny Faritra Atsimo Andrefana ihany no hampahafantarina antsika amin’ny ranty manaraka.
——————-
Soàva, tsarà Tompoko!
——————-
Angom-baovao: SCM/DIRCOM-MSANP