๐๐ป๐ธ๐ฎ๐๐๐ผ, ๐ฌ๐ต ๐ฑ๐ฒ๐๐ฎ๐บ๐ฏ๐ฟ๐ฎ ๐ฎ๐ฌ๐ฎ๐ญ I
Ankoatra ny fampitaovana dia isanโny antoka iray lehibe ahafahana mandresy ny valanaretina ihany koa ny fanamafisana ny traikefanโireo mpisehatra ara-pahasalamana.
Natomboka androany ary hifarana ny 16 desambra 2021 izao ny ยซ Cours national sur les Techniques de Biologie Molรฉculaire ยป andiany faharoa izay fiaraha-miasanโny ยซ Centre dโInfectiologie Charles Merieux (CICM) ยป , ny Oniversite Antananarivo.ary ny ny Ministeranโny Fahasalamam-bahoaka. izao fampiofanana izao no tanteraka dia noho ny fiaraha-miasa amin’ireo mpikaroka ary noho ny famatsiam-bola azo avy amin’ny ยซ Principautรฉ de Monaco ยป
Mpiofana 24 mianadahy avy aminโny lafi-valonโny Nosy no manaraka izao fiofanana izao, izay ahitana teknisianina aminโireo laboratoaram-panjakana, ยซ biologiste ยป, mpandranto fianarana ho ยซ Masters ยป sy ยซ Doctorat ยป ary mpikaroka.
Hanamafy ny traikefa sy ny fari-pahalalana eo aminโny lafiny fitiliana ankapobeny, ary indrindra mikasika ny valanaretina covid-19 no tanjona sy fanamby apetrakโizao fampiofanana izao. Tonga nanome voninahitra sy nanokatra ara-pomba ofisialy ny fampiofanana Andriamatoa Ministry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo.
Nanome hery ireo mpiofana sy nankasitraka ireo mpampiofana izy satria zava-dehibe ary hampiakatra ny kalitaonโny fitiliana ny fisianโny fampiofanana toy izao.
Mitohy araka izany ny ezaka ataonโny Fitondram-panjakana ankehitriny aminโny alalanโny Ministeranโny Fahasalamam-bahoaka sy ireo Mpiara-miombonโantoka, aminโny fiarovana ny vahoaka manoloana ny valanaretina.
SCM/DIRCOM-MSANP