Handray hetsika lehibe handraisana an-tanana maimaimpoana ireo olona mila fandidiana ny CHRD II Moramanga, manomboka ny 06 ka hatraminโny 12 novambra 2021. Hetsika vokatry ny fiaraha-misalahy eo aminโny Ministeranโny Fahasalamam-bahoaka sy ny ROTARY, tohananโireo mpiara-miombonantoka samihafa, ary mirona aminโny fanomezana tolotra ara-pahasalamana ho anโireo manana olana toy ny sima, sima anatiny, ยซ hernie ยป, ยซ lipรดme ยป, olatra ary olatra may. Misy araka izany ny fisoratana anarana eny aminโny tobim-pahasalamana akaiky ireo izay te-hisitraka izany tolotra maimaimpoana izany.
Nampahafantarina ampahibemaso androany ny fisianโity hetsika ity izay teo ambany fitarihan’ ny Tale Jeneralin’ ny Tolotra ara-pahasalamana, Dr Rado RAZAFIMAHATRATRA, izay nitondra ny teny fisaorana ho anโireo mpiara-miombonantoka aminโizao hetsika izao izay mifanaraka rahateo aminโny Velirano faha-5 napetraky ny Filohanโny Repoblika, dia ny ยซ Fahasalamana ho anโny rehetra, tsy anavahana sokajin-taona ยป.
SCM/DIRCOM/MSANP