Handao anโi Madagasikara tsy ho ela, ny Profesora Charlotte FATY NDIAYE, Solotena maharitry ny ยซ OMS ยป rehefa avy namita iraka nandritra ny enin-taona teto amintsika.
Ho fankasitrahana ireo zava-bitany teo aminโny sehatry ny fahasalamam-bahoaka teto Madagasikara dia notoloranโ ny Fitondram-panjakana Malagasy mari-boninahitra ยซ Chevalier de lโOrdre National Malagasy ยป izy, androany maraina teny aminโny Ministeranโny Raharaham-bahiny Anosy nandritra ny lanonana ofisialy fanaovam-beloma azy.
Naneho ny fahafaham-pony taminโireo asa niaraha-nanao nandritra izay fotoana niasany teto izay ny tenany ary nasongadiny taminโizany ny ady sarotra natrehina taminโny fotoana nampivaivay ny valanaretina pesta, kitrotro fa indrindra ny COVID-19.
Anisany ihany koa ny fampidirana ireo karazam-baksiny ; ny fijerana manokana ny fahasalamanโny Reny sy ny Zaza ; ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana ; ny ady aminโny tsifanjariantsakafo any Atsimo, izay tena tsapany fa nataonโny Fitondram-panjakana vaindohan-draharaha manokana.
Tonga nanome voninahitra ny lanonana ofisialy fanaovam-beloma azy, ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo ; ny Minisitry ny Raharaham-bahiny, Patrick RAJOELINA, ireo Masoivoho vahiny ary ireo Tomponandraikitra isan-tsokajiny eo anivonโny Fianakaviamben’ ny Firenena mikambana miasa sy monina eto Madagasikara.
SCM/DIRCOM-MSANP