Manafaingana hatrany ny fomba fiasa ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ankehitriny ao anatin’ny fanatanterahana ny Velirano Fahadimy : « fahasalamana ho an’ny daholobe tsy anavahana sokajin-taona ». Nisy ny fivoriana izay niarahana tamin’ireo Mpiara-miombon’antoka ny 20 septambra lasa teo ho fanomanana ny « Latabatra boribory » mahakasika ny fandrindrana fiainam-pianakaviana izay ho tanterahana rahampitso Talata 28 septambra eny Ivandry.
Nisy ihany koa ny fidinana ifotony izay notanterahan’ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo tany amin’ny tapany Atsimon’i Madagasikara niarahana tamin’ny Praiminisitra Lehiben’ny governemanta Ntsay Christian, nanara-maso ny asa fananganana ny toby fanarenana ara-tsakafo sy ara-pahasalamana ao Amboasary sy Ambovombe.
Ankoatr’izay, fiaraha-miasa avy amin’ny governemanta sinoa, ary ho fanamafisana hatrany ny ady amin’ny valanaretina Covid-19, dia efa tonga eto Madagasikara ireo vaksiny Sinopharm 300.000 fatra.
Nampahafantarina nandritra ny fananganan-tsaina androany ny Talen’ny Kabinetra vaovao eto anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka dia i Dr ANDRIAMANANTENA Onivelo Gabhy. Tontosa ny 24 Septambra lasa teo ny fifamindram-pitantana teo aminy sy ny Talen’ny Kabinetra teo aloha.
Manoloana ny lozam-pifamoivoizana izay nitranga ny alin’ny Sabotsy lasa teo tany amin’ny Distrika Ambohimasoa dia miara-ory amin’ireo niharam-boina ny fianakaviam-ben’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, iray minitra fahanginana no nentina nanamarihana izany io maraina io.
————
Le Ministère de la Santé publique accélère la mise en œuvre du cinquième point du Velirano présidentiel : « La santé pour tous, à tout âge». Une réunion s’est tenue avec les partenaires techniques et financiers le 20 septembre pour préparer la « table ronde » sur la planification familiale qui se tiendra demain, mardi 28 septembre à Ivandry. Le Ministre de la Santé Publique Prof. RANDRIAMANANTANY Zely Arivelo et le Chef du Gouvernement, Premier Ministre Ntsay Christian ont supervisé et observé la construction du Centre de Réhabilitation Nutritionnelle et Médicale d’Amboasary et Ambovombe.
Par ailleurs, en collaboration avec le gouvernement chinois, et pour renforcer encore la lutte contre l’épidémie de Covid-19, 300 000 doses de vaccin Sinopharm sont arrivées à Madagascar.
Le nouveau Directeur de cabinet du Ministère de la Santé publique, le Dr ANDRIAMANANTENA Onivelo Gabhy, a été annoncée lors de la cérémonie de levée du drapeau d’aujourd’hui. La passation de pouvoir entre elle et l’ancien directeur du cabinet a eu lieu le 24 septembre.
Après l’accident survenu dans le district d’Ambohimasoa samedi soir dernier, la grande famille du Ministère de la Santé publique a exprimé ses condoléances aux victimes, une minute de silence a été observée en leur honneur ce matin.





