#Tanora_Filamatra_Aho
#TAFA
Notokanana androany teto amin’ny Renivohi-paritra Vatovavy Fitovinany, tao amin’ny Collรจge de Rรฉfรฉrence Manakara ilay #Zoro_hoan_ny_Tanora na ilay antsoina #Coin_jeune.
Ity sehatra iray ity no ahafahan’ireo tanora mpianatra mifampizara sy mifanentana amin’ny sehatra ny fahasalamana any an-tsekoly, izany dia miompana amin’ny fisorohana ny vohoka tsy irina na aloha loatra, ny ady amin’ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo, ny fahafantarana izany atao hoe homamiadan’ny vozon’ny tranon-jaza, ny fahadiovana sy ireo rehetra azo zaraina amin’ny resaka ara-pananahan’ny tanora amin’ny ankapobeny.
Miisa 22 ireo CEG hisitraka izao tetikasa izao eto Madagasikara ary faharoa misitraka izany ny collรจge de rรฉfรฉrence eto Manakara.
Ahitana tanora mpianatra miisa 20 efa tsara hofana no hitarika sy hanentana ao anatin’izao #Coin_jeune izao.
Ny #USAID_ACCESS no manohana ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka izay iarahana amin’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena amin’ny fananganana izao sehatra hifampizaram-pahalalana ara-pahasalamana eny an-tsekoly izao.
Nisy araka izany ny fanolorana marim-pankasitrahana ho an’ireto tanora mpianatra nahavita ny fihofanana izay hitarika sy hanentana ao anatin’ny ยซย Coin Jeune.
#Za_Tafa
#Tafa_@_Fahasalamana ,
#Tafa_@_Fahaizana
Tatitra: @scm_DirCom_Msanp