👉Teo anivon’ny faritra Itasy, distrikan’Arivonimamo no nanatanterahan’Andriamatoa Ministry ny Fahasalamam-bahoaka ny fitsidihana tampoka ifotony androany 29 Aogositra 2021.
🏥Nandritra izany dia toeram-pitsaboana telo samihafa no notsidihana dia ny toeram-pitsaboana fototra (CSB1) Alatsinainy Loharano ao Atsinanan’ Arivonimamo, ny toeram-pitsaboana fototra (CSB1) Masikamalona ary ny hopitaly anivon’ny distrika (CHRD) Arivonimamo.
✔️Nisy ny dinidinika momba ireo lamin’asa izay ahitana paikady fohy ezaka sy lavitra ezaka ho fanatsarana ny fomba fiasa ho an’ny tombotsoan’ny vahoaka. Nandritr’izany no nanentanan’Andriamatoa Ministra ny mpiasan’ny fahasalamana sy ny isam-batan’olona hanohy ny ezaka sy hiara-hientana handray ny andraikitra manandrify azy avy ka hifanome tanana ho an’ny fampiroboroboana ny fahasalamana.
✔️Miainga amin’ny tsirairay ny fanatsaràna. Ao anatin’ny ezaka sy ny andraikitra tandrify ny isan’ambaratonga no ahafahana manatsara ny fifandraisana amin’ny vahoaka sy ny mpiara-miombon’antoka.
👍Asa vadi-drano ny fanatsaràna ny Fahasalamam-bahoaka, vonona hatrany ny Fianakaviamben’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka ary tsy mikely soroka amin’ny fanatanterahana ny « Velirano faha 5, fahasalamana ho an’ny daholobe tsy anavahana sokajin-taona ». Vahoaka salama antoky ny fampandrosoana.
SCM/DirCom-MSANP