Araka ny nampanantenaina antsika mpanaraka ny pejy dia toeram-pitsaboana iray indray no andeha hofantarintsika miaraka hoan’ny anio.
“𝑵𝒊𝒇𝒚 𝒔𝒂𝒍𝒂𝒎𝒂, 𝒔𝒂𝒅𝒚 𝒉𝒂𝒊𝒏𝒈𝒐 𝒏𝒐 𝒕𝒐𝒉𝒂𝒏’𝒂𝒊𝒏𝒂 », izany no teny filamatr’ity , toeram-pitsaboana fampianarana sy fanaovana fikarohana ho fisorohana ireo aretin’ny ny nify sy ny ativava ary ireo trangam-pahavoazana ara-boajanahary na vokatry ny loza mahakasika ny faritry ny loha sy ny tava ity (Pathologies maxillo- facials). Tsy iza izany fa ny CENTRE HOSPITALIER UNIVERSITAIRE Joseph Dieudonné RAKOTOVAO, na antsoina fohy hoe: CHU/JDR, izay hitantsika etsy Mahamasina, anelanelan’ny hôpitaliben’ny Befelatanana sy ny « CAM » na ny “Centre d’Appareillage de Madagascar”, amin’ny lalana Ravelonanosy Mpampivelona.
Efa nanodidina ny taona 1945, no nisian’ity toeram-pitsaboana ity ka « Centre de Stomatologie de Befelatanana » no niantsoana azy fahizany. Ny taona 1980 no niantombohan’ny asa fandidiana “ORL” tao Befelatanana, ary tetsy Ampefiloha kosa no nisy ny sampan-draharaha nisahana ny fandidiana ny faritry ny loha sy atidoha (Bloc opératoire du service de neurochirurgie).
Tamin’ny taona 1998 no nahaleo tena tanteraka ny toeram-pandidiana sy fampiantranoana ireo marary avy nodidiana. Niova ho « Unité de Soins de Formation et de Recherche en Stomatologie et Chirurgie Maxillo-faciale » ny anarana nisalorany ny taona 2003. Notokanana ary nomena ny anarana « CENTRE HOSPITALIER UNIVERSITAIRE Joseph Dieudonné RAKOTOVAO’, kosa ny toeram-pitsaboana ny faha 21 Oktobra 2015.
Nakarina ny rihana ka notovonana toeram-pandidiana vaovao sy trano miisa dimy manara-penitra fandraisana marary avy nodidiana. Telo taona lasa tamin’ny faha 22-n’ny volana aogositra 2018 no nanaovana ny fanokanana izany. Araky ny namantarantsika azy tetsy ambony dia sady toeram-pitsaboana no ivotoeram-pampianarana sy fanaovana fikarohana ho fisorohana ireo aretin’ny ny nify sy ny ativava ary ireo trangam-pahavoazana ara-boajanahary na vokatry ny loza mahakasika ny faritry ny loha sy ny tava ny CHU/JDR. Raha ny mahakasika ny FITSABOANA sy ny fandraisana an-tanana dia hitanao ao ireo sampandraharaha mandray marary manomboka amin’ny 07 ora sy sasany maraina ka hatramin’ny 04 ora tolakandro, toy ny:
1- fikolokoloana sy ny fitsaboana ary ny fanalàna nify “Service Odontologie”.
2- Fandidiana. “Service chirurgie maxilla-faciale”, izay marihina fa manana trano fandidiana na ‘bloc opératoire” miisa 02 sy trano fampiatranona izay ahitana sokajy 03: Hoan’ny sarababem-bahoaka sy ho an’ny olon-tsotra ary hoan’ireo antsoina hoe “VIP”. Misy ihany koa ny “Chirurgie plastique faciale” hoan’ireo izay maniry hanova ny endrika na hoan’ireo izay tra-doza ka nisy fahasimbana ny amin’ny faritry ny loha sy ny Tava.
3- Fameloman’aina “ Service reanimation”
4- fitarafana sy ny fitsirihana mialoha izay mety ho fandidiana “Radiographie panoramique dentaire et retro-alvéolaire”; izay tsy misy afatsy ao amin’ny CHU/JDR sy any Fianarantsoa ary Toliary irery ihany raha ny miankina amin’ny fanjakana.
Misy toerana fivarotam-panafody na “Pharmacie” hoan’ireo olona rehetra mila izany amin’ny fitsaboana atao ao an-toerana ny CHU/JDR. Toy ny hopitalim-panjakana rehetra dia manana ny tahiry manokana hampiasaina handraisana an-tanana ireo sahirana ara-pivelomana “démunis” ihany koa ny CHU/JDR.
Manaraka hatrany ireo fepetra sakana ilaina ho fisorohana ny fiparitahan’ny valan’aretina COVID-19 ny eto amin’ny CHU/JDR ka anisan’izany ny fananan’izy ireo “tunnel désinfectant” sy “bassin” hanasan’ireo olona rehetra tànana mialoha ny hidiran’izy ireo ao amin’ny Hopitaly.
Raha ny mahakasika ny FAMPIANARANA kosa dia ireo mpianatra ho mpitsabo sy mpianatra ho paramedy no manovo fahaizana amam-pahalalana ao. Ho amin’ny asa FIKAROHANA kosa dia manana efitrano miisa 02 lehibe ireo “internes qualifiants ” hanatanterahany izany.
Mpitsabo matihanina sy voaofana manokana na “specialistes” no mandray sy mitsabo ireo marary rehetra tonga eny amin’ny CHU/JDR, izay miara-misalahy amin’ireo mpandraharaha na “administratifs” nahazo fiofanana hoamin’ny andraikitra tandrify azy, toy ny fomba fandraisana sy fanoroan-dalana.
Koa raha misy olana na aretina mahakasika ny nify sy ny ati-vava dia aza misalasala fa afaka mandray ary manome ny tolotra ara-pahasalamana manaja ny maha-olona hoan’ny vahoaka Malagasy rehetra tsy an-kanavaka ny CHU Joseph Dieudonné RAKOTOVAO.
Mankasitraka anao namaky ny ranty hatramin’ny farany. Manome fotoana anao amin’ny heriny anio toy izao indray.
Rohy pejy facebook ôfisialy CHU/JDR:https://www.facebook.com/chu.jdr.336
Sary sy fanadihadiana: SCM/DirCom- MSANP