Taorian’ny Kaominina Ambanivohitra Sandrandahy, Faritra Amoron’i Mania sy ny Kaominina Maevatanana, Faritra Betsiboka dia ny Kaominina Ambanivohitra Bongatsara no nampiantrano ny tolotra ara-pahasalamana manakaiky vahoaka izay nokarakarain’ny DLMNT eto anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka tamin’ity volana jona 2021 ity.
Hetsika izay teo ambany fitarihan’ Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RAKOTOVAO HANITRALA Jean Louis ho fanatanterahana ny Velirano Fahadimy ary tafiditra ihany koa amin’ny fankalazana ny Andro ho anโny fahasalamanโny nify sy ny ativava izay nitondra ny lohahevitra hoe โSahiร mirehareha aminโny nify sy ny ativavanaoโ.
Toy ny tany amin’ireo Faritra roa voalaza eo ambony ireo dia maro ireo tolotra ara-pahasalamana hita nandritra ity hetsika omaly ity. Toy ny :
Fanalร na sy fitsaboana nify
Fizahana ny Fahasalamanโny saina
Fizahana maso
Fitiliana katarakta
Fihainoana, torohevitra mikasika
ny herisetra mianjady aminโny vehivavy
——-
Fitiliana Diabeta,
Fitiliana homamiadanโny vozonโny Tranon-jaza
Fitiliana VIH sy IST
Fandrindram-piterahana
Fanomezan-drร maimaimpoana
Fijerena Tosi-drร
——-
Didi-poitra
Nahatratra 3207 isa ireo olona nisitraka mivantana ny tolotra ara-pahasalamana mamaimpoana nandritra ireo hetsika telo sosona ireo. Niisa 992 raha ho an’ny kaominina Bongatsara manokana.
Olomboafidy sy manampahefana sivily sy miaramila maro no nanotrona an’ Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka tamin’ny fanatontosana ireo hetsika ireo. Porofo maneho ny firaisankinan’ny mpitondra fanjakana ankehitriny amin’ny fanatsarร na ny fahasalamam-bahoaka.
๐๐๐ซ๐ฒ ๐ฌ๐ฒ ๐๐ง๐ ๐จ๐ฆ-๐๐๐จ๐ฏ๐๐จ : ๐๐๐/๐๐ข๐ซ๐๐จ๐ฆ-๐๐๐๐๐