๐ ๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐๐ ๐-๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐: ๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐ ๐๐๐๐’๐๐ ๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐’๐๐ ๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐
Fandriana moderina sy mifanaraka aminโny tontolo ambanivohitra miisa 336,fitaovana sy kojakoja hoanโny fitsaboana toy ny ยซ stรฉthoscopes, kits chirurgicaux, balances pรจse-personnes, kits dโaccouchements,โฆ) no azonโireo CSB,CHRD ao anatinโny Ditrika 09 ao aminโny DRSP Atsimo Andrefana.
Natolotra taminโny fomba offisialy tao Toliara ny 18 Jona 2021.
Tonga nanotrona sy nanome voninahitra izao lanona izao, Ramatoa Talem-paritry ny Fahasalamana Atsimo andrefana, Dr Louisette Rasoanandrasana, izay naneho ny fisaorana sy fankasitrahana ny fitondram-panjakana aminโny alalanโny Ministeranโny Fahasalamam-bahoaka, aminโny fanaovanโizy ireo ambonin-javatra ny fahasalamana izay isanโny antoka hoanโny fampandrosoana, ka mahatonga azy ireo manamafy ny fiaraha-miasa aminโireo mpiara miombonโantoka toy ny USAID ACCES.
Ny USAID ACCES dia manao tan-tsoroka aminโny Ministeranโny fahasalamana aminโny sehatra maro ary anisanโizany ny fahasalamanโny reny sy ny zaza,ka miezaka izy ireo manampy mba ahazahoanโizy ireo tolotra ara-pahasalamana sahaza sy mendrika.
Marihina fa misy kaontenera miisa 28 izay samy misy fitaovana sy kojakoja hoanโny fitsaboana toy izao nomena taty aminโny faritra Atsimo Andrefana taty, homena any aminโireo faritra 10 izay hiasanโny USAID ACCESS
Antenaina fa hisy fiantraikany tsara aminโny fitomboanโireo olona hanantona ny tobim-pahasalamana ny fahazahoana ireto fitaovana ireto.
Sary sy fanadihadiana: SCM/DIRCOM