๐๐๐๐’๐๐ ๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐-๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐๐ ๐๐๐๐
Ny avy ao amin’ny Fitaleavana misahana ny mahaolona na ยซย Direction des ressources humaines -DRHโ no nisahana ny tatitry ny asa vita nandritry ny herinandro lasa sy ireo asa ho tanterahina mandritra ity herinandro vaovao ity.
Nanamarika iny herinandro lasa iny ny fisokafanโny โPoste de transfusion sanguineโ tany Manandriana. Nisy ihany koa ny fampiofanana ireo mpanao gazety mikasika ireo tsara ho fantatra manodidina ny fandrindram-piterahana. Mitohy hatrany ny fanentanana sy ny ady atao aminโny covid-19, isan’izany ny fanaovam-baksiny manerana ireo faritra 22.
Anisan’ireo vaovao hisongadina aminโity herinandro ity ny famoahana ny โrรฉsultat de recrutement par contractualisationโ iarahana aminโny UNFPA any aminโny faritra Atsimo andrefana, Atsimo Atsinanana, Amoron’i Mania, Menabe, Vatovavy Fitovinany ary Androy.
Ankalazaina androany ny Andro iraisampirenena tsy ifohana sigara sy tsy ihinanana paraky. Ny teny filamatra hoentina aminโizany dia ny hoe ยซย Manolo-tena hialaย ยป na โsโengager ร sโarrรชterโ ary nisy ny lahateny nataonโny Andriamatoa Minisitry ny fahasalamam-bahoaka Pr. RAKOTOVAO Hanitrala Jean Louis mikasika izany.
Andriamatoa Talenโny Kabinetra, Prof. RAKOTOMALALA Dave Patrick no nandray fitenenana taorian’ny tatitra androany. Nisy ny famitinana ireo fepetra mandritry ny 15 andro manaraka izay nambaranโ Adriamatoa Filohanโny Repoblika, Andry RAJOELINA omaly. Mitohy hatrany ny fanakatonana miandalana ireo CTC-19 sy ireo โHotรชl hopitalโ eto Analamanga ka ny CTC-19 Soamandrakizay sy ny CTC-19 Ankorondrano no nanohizana izany androany.
Sary sy fanadihadiana: SCM/DirCom-MSANP