Ankoatran’ny fanarahana ireo fepetra ara-pahasalamana izay fiarovana azo antoka manoloana ny valan’aretina dia azo atao ihany koa ny manampy ny HERY FIAROVANA amin’ny alalan’ny ยซ ๐๐ข๐ฉ๐๐๐ข๐ฅ๐๐๐ก๐๐๐ฆ ๐๐ฉ๐ข ๐ง๐๐ ๐๐๐ฉ๐ฌ ยป ๐๐ ๐ป๐ ยซ ๐๐ฉ๐ข ๐ฃ๐น๐๐ ยป izay tsy iza fa vokatra Malagasy manome lanja ny raokandro Malagasy.
Nanana ny anjara toerana goavana teo aminโny fampihenana ny fihanaka ny valanaretina COVID-19 ny ยซ CVO ยป ary maro ireo tombotsoa ara-pahasalamana hoentiny vokatrโireo harena hery fiarovana ananany.
Ankehitriny dia manao antso avo aminโny vahoaka Malagasy ny Ministeranโny Fahasalamam-bahoaka aminโny alalanโny Andriamatoa Minisitra, Prof. RAKOTOVAO HANITRALA Jean Louis hampiasa sy handray ny ยซ CVO ยป ho isanโny fanafody ho entina miatrika ny valanaretina COVID-19.
Vokatra ny fanadihadiana natao taminโny fotoana nampafana ny firongatrโity areti-mandoza ity teto amintsika no nahitana fa nanana tombony manokana ireo olona rehetra nampiasa sy nisotro ny CVO mba hiarovany ny tenany.
Izany no nahatonga ny Fikambanam-be iraisam-pirenena ho anโny Fahasalamana nametraka fa ho isan’ireo fanafody nentim-paharazana tsara trandrahana ny ยซ CVO ยป noho izy mety ho fitsaboana ny valanaretina Covid-19.