Ny avy eo amin’ny Fitantanana ny Fampiroboroboana ny Fahasalamana no nitondra ny tatitra ny zava-bita ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka nandritra herinandro teo amin’ny fotoana fanomezam-boninahitra ny sainam-pirenena Malagasy anio . Amin’ny maha tompon’andraikitra voalohany azy ireo @ fanentanana ara-pahasalamana dia mazava ho azy fa nahitana taratra izay fanentanana izay avokoa ny tatitra izay nataon’izy ireo.
Nandritra ny fandraisam-pitenenana nataon’Andriamatoa Minisitra ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RAKOTOVAO HANITRALA Jean Louis no nanehoany sahady ny firariantsoa ny mpiasan’ny fahasalamana rehetra manerana ny Nosy hiatrika ny Krismasy sambatra ary famaranana sy fitsenana ny taona feno fifaliana.
Nankasitraka hatrany ireo mpiasan’ny fahasalamana tsy ankanavaka ny tenany izay manao ny ainy tsy ho zavatra amin’ny fanatrarana ny tanjona napetraka, dia ny tolotra ara-pahasalamana tsara, ara-kalitao mipaka eny ifotony. Ny hiverenan’ny fitokisan’ny vahoaka indray ny tolotra ara-pahasalamam-panjakana no tanjona, na eny anivon’ny CSB izany na eny anivon’ny Hopitaly.
Manoloana ny ezaka foto drafitrasa manokana dia fantatra ankehitriny fa efa mananika ny 50 ny CSB izay napetraka ny vatofototra tao anatin’izao faran’ny taona izao.
Hamafisina mandrakariva ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana rehetra, isan’izany ny COVID-19 ary ny fenitra ara-tsakafo ao anatin’izao andro fety izao.
———————————————–
Ce 21 décembre 2020, c’était au tour de la Direction de la Promotion de la Santé de faire un bref rapport des nombreuses réalisations du Ministère de la Santé Publique durant la levée du drapeau. Lors de sa prise de parole, Monsieur le Ministre de la Santé Publique, Prof. RAKOTOVAO HANITRALA Jean Louis n’a pas manqué d’adresser ses sincères félicitations à tout le personnel dévoué du Ministère de la Santé Publique dans tout Madagascar d’avoir contribué à la réalisation des objectifs préfixés. Aussi, il a déjà tenu à souhaiter un Joyeux Noël ainsi qu’une fin d’année remplie de joie à l’endroit de tout le Personnel.
Regagner la confiance des gens vis-à-vis des offres de soins aussi bien dans les Centres de Santé de base que dans les Hôpitaux, est l’ultime but que le Ministère s’efforce d’atteindre. Concernant les infrastructures, les chiffres sont sortis, les roches mères d’une cinquantaine de CSB sont déjà en place en l’espace de cette fin d’année.
En cette période de festivité, le Département de la Santé rappelle à tout un chacun de respecter les mesures sanitaires notamment les gestes barrières face à la Covid-19 toujours omniprésente dans le pays, et les normes en matière de denrées alimentaires dans la mesure du possible.