Nanomboka ny 02 Novambra lasa teo hatramin’ny faha-03 Desambra 2020 ho avy izao dia tanterahana any amin’ny Faritra Ihorombe sy ny Faritra Atsimo Andrefana iny, ny famendrahana isan-tokantrano fanafody mamono moka.
Distrika maromaro izay ahitana tahana tazomoka ambony ao anatin’ireo Faritra roa voalaza eo ambony ireo no voakasik’ izany. Ahitana ny distrikan’i Toliara II, Betioky, Sakaraha, Ihosy, ary Iakora. Tokantrano manodidina ny 203 513 eo no hisitraka izao famendrahana faobe ranom-panafody mamono moka izao.
Ny tazomoka dia aretina faha-efatra manana taha-pahafatesana ambony indrindra eto Madagasikara. Tanjon’izao hetsika izao araka izany ny hampihenana io taha-pahafatesana io ao anatin’ireo Faritra sy Distrika izay ahitana tahana tazomoka ambony ireo.
Ny USAID Madagasikara amin’ny alalan’ny Tetikasa Vectorlink no mifanome tanana amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’izao hetsika mivantana mipaika any amin’ny vahoaka izao, araka ny antitranterin’ Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RAKOTOVAO HANITRALA Jean Louis, amin’ireo mpiara-miombon’antoka matetika.
Fanadihadiana : DirCom/SCM-MSANP