Ho fanamafisana ny ady atao amin’ny ongobe sy bongabe, ny kankantsinay ary ny Bilarziôzy dia nisy ny fizarana fanafody faobe andiany faharoa izay notanterahina nanomboka ny 23 hatramin’ny faha 27 novambra 2020 lasa teo manerana ny Distrika 43 eto Madagasikara.
Mandeha indroa miantoana ny fizarana ka ny fizarana fanafody iadiana amin’ny Bilarziôzy sy kankantsinay no nandeha mialoha, arahan’ny fizarana fanafody iadiana amin’ny ongobe sy bongabe izay ho tanterahina afaka 15 andro.
Tanjona voalohany amin’izao hetsika izao ny fanapahana ny fifindran’ny aretina ary ny hanafoanana azy tsy hisy intsony eto amintsika any aoriana any.
Raha mikasika ny fanafody iadiana amin’ny Bilarziôzy manokana dia ny Zaza 05 taona hatramin’ny 15 taona no misitraka io fizarana faobe io.
Ho an’ny fanafody iadiana amin’ny ongobe sy bongabe indray dia afaka misitraka azy io avokoa ny olona rehetra maherin’ny roa taona.
Tsara ny mampahafantatra fa tokony hanao voky tsara alohan’ny hihinana fanafody.
Fiarahamiasan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny « OMS Madagascar » sy ny « SCI » no nahafahana nanatanteraka izao hetsika lehibe mitsinjo ny Fahasalamam-bahoaka izao. Mpanentana ara-pahasalamana 02 isaky ny fokotany no mitety tokantrano mizara fanafody izay tsara marihana fa maimaimpoana hatrany.
Fanadihadiana: DirCom/SCM – MSANP
Sary: SMEETN/DLMT/MSANP