Androany Alatsinainy 30 novambra 2020 dia ny teo anivon’ny DSSB indray no nitatitra ny asa vita tamin’iny herinandro lasa iny sy nampahafantatra ireo asa miandry ho amin’ity herinandro vaovao ity.

Nandray fitenenana avy hatrany Andriamatoa Ministra ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RAKOTOVAO Hanitrala Jean Louis, ka nanao tatitra mahakasika ny diany tany Mahajanga. Nisaotra ireo anesthésiste sy chirurgien niara niasa sy nizara traikefa tamin’ny fandidiana hernie tao an-toerana ny tenany. Raha ny nambarany dia hirariana ny hanaovana ny hetsika faobe toy izao mandritra ny herinandro. Ankoatr’izay, nisaotra ireo mpiasa eo anivon’ny vonjy taitra Izy satria maro ireo olona efa nisitraka ny fomba fiasan’izy ireo ka azo tsapain-tànana araka izany fa misy fiantraikany mivantana amin’ny vahoaka ny « humanisation des soins » eny anivon’ireo toeram-pitsaboana.

Mahakasika ny fanatanjahantena kosa dia niarahaba ireo atleta ao amin’ny 3FB, taranja Boxe Française Savate Andriamatoa Ministra, Prof. RAKOTOVAO Hanitrala Jean Louis noho ny fahazahoan’izy ireo ny médaille D’or.
Teo ampamaranana dia nanamafy ny fanentanana Izy amin’ny tokony hanarahana hatrany ireo fihetsika sakana ho fisorohana ny fihanaky ny valanaretina Covid-19.

SARY SY FANADIHADIANA : DIRCOM/SCM-MSANP