Tao anatin’ny lanonana ara-miaramila izay manana ny maha-izy azy no nanatontosana ny « Famindram-pibaikoana » teo amin’ny Lieutenant-Colonel BENINAZY Daniela sy ny Lieutenant-Colonel, ANDRIANATREHINA Livah, izay mpibaiko vaovao ny vondrom-paritry ny zandarimariam-pirenena Boeny.
Tao amin’ny renivohim-paritanin’ny Boeny no notanterahina ny lanonana ara-miaramila rehetra androany 27 novambra2020.
Ny Ministra ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RAKOTOVAO HANITRALA Jean Louis no nisolontenan’ny Filoham-pirenena sy ny Praiministra lehiben’ny Gouvernemanta nandritra izao lanonana famindram-pibaikoana eo amin’ny Vondrom-pari-piadidian’ny Zandarimariam-pirenena Boeny izao.
Fanadihadiana: DirCom/SCM-MSANP