Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy androany 26 novambra 2020 tao amin’ny foiben’ny Ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina Nanisana, ny IVOTORO na Ivon’ny Torohay ( Centre d’informations administratives et d’orientations ).
Ny IVOTORO dia ivo-toerana hahafahan’ireo olompirenena mila raharaha eny anivon’ny sampan’asam-panjakana mandray torolalana, torohevitra ary fanampiana amin’ny alalan’ny antso an-tarobia. Tetikasa iray novolavolain’ny Ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina, niarahana tamin’ireo Ministera rehetra sy ireo mpiaramiombon’antoka aminy.
Tonga nitarika ny lanonana ny Filohan’ny Repoblika, Andriamatoa Andry Nirina Rajoelina, narahan’ireo Minisitra sy solotenan’ny andrim-panjakana isan-tsokajiny. Nohamifisiny tamin’izany fa isan’ny fanatanterahana ny Velirano fahatelo izay napetrany, izany hoe ny fanafoanana ny kolikoly eny anivon’ny biraom-panjakana ary hanatsarana ny kalitao ankapobeny ny asam-panjakana ny fanatanterahana izao tetikasa izao.
Raha ny eto anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka dia hanampy betsaka ny olompirenena amin’ireo fikarakarana ny taratasim-panjakana sy amin’ny fanomezana toromarika sy torolalana mazava mba tsy hivezivezena loatra amin’ny fanatontosana izany.
Sary sy fanadihadiana : DIRCOM/SCM-MSANP