Manoloana ny fahamaizana nahazo Chef CSB II Manitseva, SDSP Amboasary Atsimo, DRSP Anosy, vokatry ny fipoahan’ny vata fampangatsiahana fitahirizana vaksiny izay nampiasainy dia tonga nitsidika sy nampahery ary nivatsy solon-dranomboankazo azy teny amin’ny Hopitaly Hjra Ampefiloha, andriamatoa Ministry ny Fahasalamana, Prof. RAKOTOVAO HANITRALA Jean Louis, androany 27 Oktobra 2020.
Efa misy fihatsarana ny toe-pahasalaman’ny namantsika ary ny fitsaboana rehetra dia raisin’ny Ministera an-tànana avokoa.
Mandala ny fitsaboina manaja ny mahaolona ny Ministera ary mijoro ho ohatra tsara fakan-tahaka amin’ny Fanatanterahana izany. Vavolombelon’izany izao fandraisana an-tanana ataon’ Andriamatoa Minisitra manoloana ny voina mahazo ny namana mpiasan’ny fahasalamana izao.
Mirary fahasalamana haingana ho an-dRasazy isika ary manentana ny tsirairay ho mailo hatrany eo am-panatanterahana ny asa fitsaboana izay sahaniny.
Sary sy Fanadihadiana : DirCom/SCM-MSANP