Io maraina io dia nisy ny fihaonan’ Andriamatoa Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Prof. RAKOTOVAO HANITRALA Jean Louis, tamin’ ireo « Chef CSB » miisa 43 mandrafitra ny Distrika Taolagnaro.
Nambarany tamin’izany ireo vina dimy hitondrany ny Ministeran’ny fahasalamam-baohoaka, toy ny ady amin’ny kolikoly, ny fampiharana ny fitsaboana manaja ny maha-olona, ny fanamafisana ny fahalalàna sy traikefan’ny mpiasan’ny fahasalamana. Eo ihany koa ny fanatsaràna sy fananganana foto-drafitrasa ary ny fampitaovana azy ireny.
Nisaotra ireo « Chef Csb » izy nandritra izany noho ireo asa vita. Ny asa vitanareo hoy izy no mampijoro ny Minisiterantsika.
Sary sy loharanom-baovao: DRSP Anosy