Mitohy hatrany ny asa fampivoarana ny lafiny fahasalamana amin’ny alalan’ny fandraisana andraikitry ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny.Manatanteraka ireo andraikitra izay tandify azy ny faritra tsirairay ho fiaraha-mientana ao anatin’izany fampandehanan-draharaha izany.
DRSP_DIANA :
Ao anatin’ireo laharam-pahamehana dimy eto anivon’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka ny fananganana foto-drafitr’asa sy ny fampitaovana azy, mba hisian’ny tolotra ara-pahasalamana misy fiatraikany mivantana eny amin’ny sosialim-bahoaka.
Araka izany dia miroso hatrany ny Asa ho fanatanterahana izany, nanomboka ny 01 oktobra 2020 ny famaritana ny toerana hananganana ny CSB manara-penitra ao Antsoha Antsiranana ka ny avy eo anivon’ny SMGSSE sy ny « services contentieux » ao amin’ny DRSP DIANA no niandraikitra sy nisahana izany.
Mikasika ny fahatongavan’ireo mpizahan-tany any NosyBe dia efa vonona ary mandray ny andraikitra mifanandrify amin’izany ny mpiasan’ny fahasalamana any an-toerana, anisan’izany ny fakana singa, nisy ihany koa ny valandresaka hoan’ny mpanao gazety niarahan’ny Talem-paritran’ny fahasalamana sy ny DVSSER, ary ny Médecin Inspecteur.
DRSP_Antsinanana :
Notanterahina tao amin’ny centre Fanantenana Tanamakoa Toamasina ny fampiofanana « pairs éducateurs sur les approches de dépistage différencie du VIH », niarahana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka dia ny PSI sy ny projet NMF2
Nisy ihany koa ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fatra faha-02 amin’ny vaksiny miady amin’ny kitrotro teo amin’ny CSB2 Tanambao verrerie SDSP Toamasina I DRSP Antsinanana
DRSP_Itasy :
Mitohy ny supervision/suivi formatifs conjoints PECMA/ANJE atao eny amin’ny SDSP Arivonimamo ka CSB miisa dimy no notsidihana ny 01 oktobra 2020. Nohamafisina ihany koa ny ady amin’ kolikoly, ny Fitsaboana manaja ny mahaolona « humanisation des soins », sy ny fampanaraham-penitra ny Asa « standard de service. » Nohamarinina ny fahatomombanan’ny » registre des comptes matières » izay tokony hananan’ny sampandraharaha rehetra.
#DRSP_Vatovavy_Fitovinany :
Tontosa ny 01 Oktobra 2020 ny fiofanana amin’ny fandraisana an-tanana ny mararin’ny Covid-19 sy ny fitsaboana ny marary, fitsinjovana sy fanajana ny maha olona izay niarahan’ny DRSP V7V sy ny DRSP Sud-Est ary ny avy eo anivon’ny DGFS
DRSP_Sofia :
Tao amin’ny Commune Ambohitoka no nanatanterahana ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fatra faha-02 @ vaksiny miady amin’ny kitrotro, niantsoroka izany ny avy ao amin’ny SDSP Mampikony sy ny ao amin’ny DRSP Sofia.